Mitohy hatrany ny asan’ny solombavambahoaka amin’ny alàlan’ny Vaomiera mpanadihady. Nohainoan’ny Vaomiera mpanadihady mikasika ny Orinasa JIRAMA ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’izany Orinasa izany, androany alakamisy 16 jolay 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fivoriana ny Filohan’ny Vaomiera RAKOTONIAINA Pety, raha notahirin’ny Tale jeneraly Jly RASOLOMANANA Hajatiana kosa ny avy eo anivon’ny JIRAMA.
Tamin’ity androany ity dia niompana indrindra tamin’ireo famokarana herinaratra avy amin’ny JIRAMA izy tenany sy avy amin’ireo mpamatsy herinaratra ny fanontaniana avy amin’ny Vaomiera. Nalaina lisitra ireo vata famokaran’ny JIRAMA mandeha amin’ny akoranafo, avy amin’ny renirano sy avy amin’ny masoandro. Notakian’ny Vaomiera mpanadihady ihany koa ny lisitr’ireo vata mpamokatra hofaina ary ny herinaratra vidian’ny JIRAMA amin’ireo mpandraharaha tsy miankina. Notakiana miaraka amin’ireo ny fifanarahana ara-barotra (contrat) amin’ireo mpandraharaha tsy miankina ireo.
Raha ny nambaran’ny Filohan’ny Vaomiera mpanadihady dia fanombohana ihany ity fa mbola be ny ho avy. Nilaza izy fa tsy hihemotra ny Vaomiera fa hanohy ny asa hatramin’ny farany na be ary ny milaza « fa misy mafia » ao. Ity no atao hoy izy dia mba ho tamberin’andraikitra ho an'ny vahoaka izay manan-jo hahalala ny marina rehetra mikasika ity Orinasa ity.
Nilaza ihany koa moa izy fa vola be tokoa ny atosaky ny fanjakana ho an’ny JIRAMA, efa ho arivo lavitrisa ariary, nefa toa tsy mifanaraka amin’izay ny vokatra azo. Manahy araka izany ity vaomiera mpanao fanadihadiana ity fa misy halatra ao ambadik’izany. Marihina fa isan’ny mpikambana anatin’ity Vaomiera ity ka manaraka ny fihainoana ireo tompon’andraikitry ny JIRAMA ny Filohan’ny Antenimierampirenena RANDRIANASOLONIAIKO Siteny.
0 Commentaires pour cet article
Laisser un commentaire
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).