Taorian’ny fanitsiana ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena dia nitohy tamin’ny fifidianana ireo ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny fivoriambe, androany 18 jona 2026.
Kandidà efatra no nifaninana tamin’ity fifidianana ity ka lany tamin’izany Andriamatoa RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin, Solombavambahoaka voafidy tao Benenitra, tamin’ny taha 98,99%, sy Andriamatoa VAZISON Honoré, Mpitsara, izay lany tamin’ny taha 85,56%.
Niarahaba sy naneho firariantsoa ireo voafidy ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo solombavambahoaka manoloana ny andraikitra lehibe miandry azy ireo.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).