Tonga nifanakalo hevitra sy nihaino ireo solombavambahoaka teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza androany alakamisy 19 novambra 2026 ny Minisitry ny Foloalindahy ny Jeneraly Maminirina Ely RAZAFITOMBO, sy ireo mpiara-miasa taminy, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny RANDRIANASOLONIAIKO. Tanjona amin’ity fihaonana ity ny hamahana olana amin’ny fitandrovana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena.
Raha ny nambaran’ny Minisitry ny Foloalindahy dia miandraikitra ny fiarovana ny firenena, ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fahamarinan'ny tanindrazana, ary ny fandrindrana ny Tafika no andraikitra voalohan’ny Foloalindahy. Andraikitra lehibe ao anatin’izany ny fiarovana ny fahamarinan'ny faritany (an-tanety, an-dranomasina, ary an'habakabaka) sy ny tombontsoa ambonin'ny firenena; ny fiantohana ny filaminana, ny fandriampahalemana, ary miaro ny vahoaka sy ny fananany manoloana ny loza na ny fanakorontanana. Eo ihany koa ny fandaminana, ny fitantanana, ny fanomanana ary ny fampiasana ny hery sy ny sampan-draharaha eo ambany fiahiany (ao anatin'izany ny Etamazaoro Jeneralin'ny Tafika). Farany, manohana ihany koa ny asa sosialy, ny fanampiana amin'ny loza voajanahary (toy ny rivo-doza), ary ny asa fampandrosoana ilàna ny Tafika.
Raha ny nambaran’ny Jeneraly Maminirina Ely Razafitombo anefa dia tsy ampy ny teti-bola ho an’ny Tafika satria dia lany amin’ny fampidionan-draharaha sy ny karama ny ambongadin’ny tetibola ho an’ny minisitera. Voaresaka nandritra ity fihaonana ity araka izany ny tokony hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera.
Fotoana ihany koa io nitondran’ny solombavambahoaka ny hetahetan’ny distrika isan’isany amin’ny lafin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. 70 ny solombavambahoaka nandray fitenenana. Raha aravona dia ny fampitaovana moto sy fiara ireo miaramila miasa any ambanivohitra, araka izany dia voalaza fa moto miisa 800 no hatokana amin’ny taona ho avy, amin’ny alalan’ny tetibolan’ny Crédit d’Investissement destiné à l’Appui au Développement (CIAD). Eo ihany koa ny fampitomboana isa ireo miaramila miady amin’ny dahalo, ny « rengagement » an’ireo nanao « service militaire », fametrahana « base militaire », ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika sy ny Zandary amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Naravona ary nomena ny Minisiteran’ny Foloalindahy moa ireo hetahetan’ny solombavambahoaka ireo.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).