Notanterahina ny 18 novambra 2026, tao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Fiaferana, Distrikan'Avaradrano, ny fihainoana sy fakan-kevitra ampahibemaso niarahana tamin'ireo tanora, vehivavy ary olona manana fahasembanana. Nifantoka tamin'ny Zo sy ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fiterahana (DSSR), ary ny ady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy (VBG) ny fihaonana.
Ny Tetikasa SDSR sy VIH/Sida eo anivon'ny Forum Parlementaire SADC niaraka tamin'ny Ipas Afrique Francophone, no nikarakara izany.
Tafiditra sahady ao anatin'ny hetsika 16 andro hiadivana amin'ny herisetra izao hetsika izao.
Nanatrika sy nandray anjara tamin'izany ny Solombavambahoaka voafidy tao Avaradrano, Andriamatoa RADAFINDRANARO Thierry, niaraka tamin'ireo Solombavambahoaka mpikambana ao amin'ny tambajotra RPNJR, tarihin'ny Filoha, Andriamatoa RAJAOBELINA Herizo. Teo ihany koa ny Ben'ny Tanànan'i Fiaferana, Andriamatoa Rakotomalala Honoré, sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Maro ireo fikambanam-behivavy sy tanora ary ireo lehilahy tonga nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra.
Nandritra ny fihaonana no nanazavana ny Lalàna laharana faha-2019-008 momba ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy sy maha-vavy sy ny Lalàna laharana faha-2017-043 momba ny Zo sy ny Fahasalamana ara-pananahana ary ny Fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana. Nomena sehatra ireo mpandray anjara hametraka fanontaniana, hizara ny traikefany ary haneho ny heviny mikasika ny fampiharana izany lalàna izany sy ireo olana sedrain'ny mponina eny ifotony.
Anisan'ny andraikitra lehibe sahanin'ireo solombavambahoaka ny mampahafantatra ny vahoaka ny lalàna sy ny zo tokony harovany, miaro ny tombontsoan'ny olom-pirenena ary manao ezaka mba hisian'ny tetibola sy famatsiam-bola mifanaraka amin'ny filàn'ny sehatry ny fahasalamana. Manan-danja araka izany ny fihainoana mivantana ny hetahetan'ny vahoaka, mba hahafahan'ireo solombavambahoaka mitondra ny feon'ny olom-pirenena sy miaro ny tombontsoany eo anivon'ny Antenimierampirenena.
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia nisongadina fa mbola maro ireo sakana atrehan'ny tanora sy ny vehivavy any ambanivohitra amin'ny fahazoana vaovao marina sy tolotra ara-pahasalamana mifanaraka amin'ny filàny. Anisan'izany ny fahasarotan'ny fivezivezena, ny halaviran'ny tobim-pahasalamana, ny tsy fahampian'ny fampahalalana ary ny fisian'ny fomba fijery sy fady sasany manodidina ny fahasalamana ara-pananahana.
Tamin'ny tolakandro kosa dia notanterahina ny fitsidihana ny tobim-pahasalamana sy ny fanangonana ny hevitra sy soso-kevitra avy amin'ireo sokajin'olona samihafa. Nofaranana tamin'ny fanentanana ireo mpianatra teny amin'ny lisea tao Fiaferana izany, ho fanamafisana ny fahalalan'ny tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny zo mifandraika amin'izany.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).