Misokatra amin’ny fifandraisana rehetra, miara-miasa amin’ny firenena rehetra, ary tsy mitsipaka velively an’i Lafrantsa i Madagasikara, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO nandritra ny fitsidihana ara-pombam-panajana nataon’ireo Delegasion’ny Antenimierampirenena Frantsay, notarihin’ny Filohan’ny vaomieran'ny raharaham-bahiny, Bruno Fuchs niaraka tamin’ny mpanolotsaina ara-diplomatika, ary ny tomponandraikitra ambony ao amin'ny masoivoho an’i Lafrantsa eto Madagasikara, androany 18 Aogositra 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.
Niompana kokoa teo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Lafrantsa ny fihaonana teto. Manana tantara manokana rahateo ny roa tonta. Izy no mpiara-miasa voalohany amin’i Madagasikara.
Manafoana ny "monopole" amin’ny lafiny rehetra mba ahafahan’ny rehetra manasoa sy mampandroso azy i Madagasikara. Ankoatr’izay, manan-danja ho an’i Madagasikara ny fitokisana apetraky ny vahoaka amin’ny alalan’ny fangaharaharahana.
Laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fifidianana, ka ny volana Jolay 2027 izao no hanatanterahana ny fifidianana eto amintsika, ary hangarahara sy eken’ny rehetra izany, hoy ny dinika teto. Hirosoana hatrany ny famahana ny olana ara-tsosialy, ary efa maro ny asa natomboka tamin’izany, toy ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa samihafa sy ny famatsiana rano fisotro madio, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena malagasy.
Andrasan’i Madagasikara ny hidiran’i Lafrantsa eo amin’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola momba ny harena an-kibon’ny tany.
Nanterin'ny Filohan’ny Antenimierampirenena malagasy hatrany fa tsy miala amin’ny Lalampanorenana ny Antenimierampirenena.
Etsy ankilany, vonona hiara- hiasa hanampy an’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra ny frantsay amin’ny alalan’ny Vaomierany, toy ny nataony tany Congo, Senegal, mba hahatontosa soa aman-tsara ny fanavaozana, hoy ny nambaran’ny Delegasiona frantsay.