Natao tany Eswatini ny Fihaonambe isan-taona andiany faha-18 sy ny Fivoriambe isan-taona andiany faha-22 an’ny SADCOPAC, nitondra ny lohahevitra mifantoka amin’ny fanovana ny fanaraha-maso ho lasa hetsika sy vokatra mivaingana.
Nandritra ny fivoriana dia nifantoka tamin’ireo lafiny lehibe mifandraika amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny volam-panjakana, ny famerenana sy fisorohana ny fahaverezan’ny fananana sy volam-panjakana, ary ny ady amin’ny fikorianan’ny vola tsy ara-dalàna ny adihevitra. Nodinihina ihany koa ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola momba ny toetrandro, ny fampiasana ny teknolojia nomerika, ny fiatrehana ny krizy, ary ny fanamafisana ny faharetan’ireo andrim-panjakana. Naneho indray ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Parlemanta sy ireo andrim-panjakana ao amin’ny faritra SADC ny fihaonambe, indrindra amin’ny fanamafisana ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra, ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana ary ny faharetan’ireo andrim-panjakana, ho tombontsoan’ny olom-pirenena.
Niaraka nandinika ny tatitry ny vaomiera ihany koa ny mpandray anjara, nifampizara traikefa, ary namolavola ireo tolo-kevitra sy fanapahan-kevitra raisina mandritra ny fihaonambe.
Nodinihina ny mety ho fanitsiana ny Lalàmpanorenan’ny SADCOPAC ary nofaranana tamin’ny famindrana ny faneva ho an’i Malawi, izay handray ny fiadidiana sy ny fihaonana manaraka, ny fivoriambe.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).