Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany talata 20 oktobra 2026 ny fivoriana ara-potoana faharoa, nitarika izany ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.
Nambaran'ny Filohan'ny Antenimierampirenena tamin'ny lahateny fanokafana ny mikasika ny fandinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2027, izay fitaovana lehibe hanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny, ka hamahana ireo olana misy eto amin'ny firenena, ary hiantoka ny fanavaozana andrandrain’ny vahoaka malagasy. Ity tetibola ity ihany koa no hamaritra ny enti-manana amin’ny fifidianana, araka ny nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana. Ankoatra izay, misy volavolan-dalàna maro hafa hodinihina ary mety hisy ny fiantsoana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta mba hifanatrika amin'ny solombavambahoaka.
Mikasika ny fiainam-pirenena dia niantso ny Praiminisitra ny Filohan'ny Antenimierampirenena mba hanolo ireo tompon'andraikitra heverina fa tsy mahomby amin'ny andraikiny. Eo amin'ny lafiny sosialy, tsikaritra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny lozam-pifamoivoizana, izay nanentanany ny amin’ny handraisana fepetra ary hanamafisana ny fanabeazana entina misoroka izany. Ny momba ny olan’ny JIRAMA dia miverimberina hatrany ny fahatapahan-jiro, koa nangataka ny tompon’andraikitra mahefa ny tenany hanenjehana ireo manimba ny orinasa sy manakorontana ny vahaolana efa napetraka. Nohamafisiny ihany koa ny fanamelohana mafy ireo fihetsika manohintohina ny fandriam-pahalemana sy ireo manaparitaka vaovao tsy marina manakorontana ny sain'ny vahoaka. Naneho ny fankasitrahana kosa anefa ny tenany ho an’ireo mpikambana anaty governemanta izay manatanteraka tsara ny asany sy nahazoana vokatra azo tsapain-tanana.
Nanentana hatrany ny solombavambahoaka ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fanatrehana ny fivoriana sy ny fahazotoana na dia avy nanatrika fivoriana tsy ara-potoana maro aza
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).