Nihaona tamin’ny Solontena manokan'ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana miasa eo amin'ny vondrona Afrikana Andriamatoa Parfait ONANGA ANYANGA, sy ny iraka manokana eo amin'ny Vaomieran'ny vondrona Afrikana, Andriamatoa Mohamed Idriss Farah ary ireo mpiara-miasa aminy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa RANDRIANASOLONIAKO Siteny, androany 13 novambra 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.
Izao dia tohin’ny dinika efa nisy teo aloha izay nifantoka tamin’ny tatitry ny fanomanana ny fifidianana. Nambaran’ny delegasiona fa mizotra tsara araka ny tokony ho izy ireo dingana mahakasika izany, taorian’ny fifampidinihana tamin’ireo vondrona sy andrim-panjakana samihafa, anisan’izany ny FFKM, ny CENI ary ireo Filoham-pirenena teo aloha. Nohamafisina ihany koa ny fandaharam-potoana, izay ahitana ny fikaonandoham-pirenena, ny fandaniana ireo lalàna mifehy ny fifidianana eto anivon’ny Antenimierampirenena, ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana ary ny fifidianana Filoham-pirenena.
Nisaotra ny Vondrona Afrikanina ny Filohan’ny Antenimierampirenena noho ny fanohanan’izy ireo sy ny fahatsapany ny ezaka ataon’i Madagasikara ho amin’ny fanavaozana sy mba hisorohana ny fiverenan’ny krizy. Nasongadin'ny Filoha fa ny Antenimierampirenena dia andrim-panjakana mijoro ary vonona handray ny andraikiny amin’ny fametrahana ireo lalàna ilaina ho an’ny fifidianana mangarahara sy mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka.
Notsindriany fa ny tombontsoam-pirenena no laharam-pahamehana, ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena rehetra i Madagasikara, ao anatin’ny fanajana ny fahaleovantena sy ny tsy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena. Nohamafisiny ihany koa fa tsy hisy toby miaramila vahiny hapetraka eto Madagasikara, ho fitandroana izany fahaleovantenam-pirenena izany, ary koa hahafahana mifandray am-pilaminana amin’ireo firenena samihafa.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).