Notanterahina ny 20 novambra 2026 tao Ezulwini, ao amin’ny Fanjakan’i Eswatini, ny fanokafana ny Fivorian’ny Vondron’ny Parlemanta andiany faha-59 ao amin’ireo Firenena Mpikambana ao amin’ny SADC (FP-SADC). Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, izay nitana ny toeran'ny Filohan’ny FP-SADC, no nitarika sy nanokatra izany fivoriana izany. Nofaranana ny 21 novambra 2026 tamin’ny fifidianana ireo mpikambana vaovaon’ny Biraon’ny FP-SADC izay hiasa mandritra ny fe-potoana 2026-2028 ny fivoriana. Koa voafidy ho Filoha Andriamatoa Dithapelo L. KEORAPETSE, Filohan’ny Antenimierampirenen’i Botswana, izay mandimby an’Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO eo amin’ny fitarihana ity rafitra parlemantera isam-paritra ity.

Mikasika ny fivoriana dia anisan’ny lohahevitra lehibe nifantohan’izany ny hoe: « Fampiasana ny fitarihana ara-politika, ny fanovana tsikelikely ny fomba amam-panao ary ny angon-drakitra ho fanafainganana ny famongorana ny fanambadiana aloha loatra eo amin’ny faritra SADC ».

Notsindriana tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny ady amin’ny fanambadiana zaza tsy ampy taona, izay mbola olana lehibe manitsakitsaka ny zon’ny ankizy sy manakana ny fampandrosoana. Ankoatra ny fanapahana ny lalan’ny ankizivavy eo amin’ny fianarana, dia mampitombo ny mety hisian’ny vohoka aloha loatra sy ny loza ara-pahasalamana izany, sady mametra ny fahafahan’izy ireo misitraka asa sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.

Nodinihina ihany koa ny fampiharana ny Lalàna Modely momba ny famongorana ny fanambadiana zaza tsy ampy taona sy ny fiarovana ireo ankizy efa tafiditra ao anatin’izany, izay nolanian’ny FP-SADC tamin’ny 3 jona 2016. Folo taona aty aoriana, zava-dehibe ny fanombanana ny vokatra azo, ny olana mbola sedraina ary ny fepetra tokony horaisina mba hanamafisana ny fampiharana azy any amin’ireo firenena mpikambana.

Manana andraikitra lehibe amin’izany ny Parlemanta, amin’ny alalan’ny fanavaozana sy fampifanarahana ny lalàna nasionaly, ny fanaraha-maso ny fampiharana izany, ny fanomezana teti-bola sahaza ary ny fiarovana ny zon’ny ankizy.