Nolanian’ny solombavambahoaka, nandritra ny Fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Toliara TSARADIA Marco, ny alin’ny alatsinainy 23 novambra 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Tolo-pehin-kevitra laharana 01-AN/AR-2026 mitondra fanesorana amin’ny asany ny mpikambana miisa efatra ao amin’ny Birao Maharitra.
Voakasik’izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena RANDRIANASOLONIAIKO Siteny tamin’ny isam-bato 112/37, ny Filoha lefitra misahana ny faritanin’Antsiranana IBRAHIM Issa Charles tamin’ny isam-bato 117/32, ny Filoha lefitra misahana ny Faritanin’i Mahajanga AFAKANDRO Christian tamin’ny isam-bato 119/30, ary ny Kestora fahatelo MAMIHAJA Charlot tamin’ny isam-bato 117/32.
Ity tolo-pehin-kevitra ity dia mifandraika indrindra amin’ny andininy faha-16 Fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena izay milaza fa « Ankoatra ny Lehiben’ny mpanohitra, (…), ireo mpikambana hafa ao amin’ny Birao Maharitra dia azo esorina amin’ny asany avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra noho ny antony lehibe amin’ny alàlan’ny latsabato ataon’ny roa ampahatelon’ny Solombavambahoaka. »
Isan’ny « antony lehibe (motif grave) » voalaza ho antony nanalana ireto mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ireto; raha ho an’ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia ny tsy fanarahan-dàlana toy ny tsy fandraisana didi-pitondrana mamaritra ny andraikitr’ireo mpikambana tsirairay avy ao amin’ny Birao Maharitra, eo ihany koa ny fanovana tampoka ny lahadinika tsy niaraha-nanapaka. Raha ho an’ny Filoha lefitra Mahajanga dia voalaza manivaiva sy manosi-potaka solombavambahoaka namana. Ho an’ny Filoha lefitra Antsiranana dia nambara fa tsy dia manao ny asany loatra. Ho an’ny Kestora fahatelo kosa dia nambara fa tsy dia eto an-toerana lava. Marihina moa fa nomena anjara fitenena nahafahany niaro tena ireto mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ireto nandritra io Fivoriambe io.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).