Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana teto amin’ny Antenimierampirenena androany 10 jona 2026 ireo solontenan’ny Electoral Institute for Sustainable Democracy in Africa, na EISA, notarihin’ny Tale Mpanatanteraka, Baïdessou Soukolg . Nandritra ny fihaonana tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Ralambozafimbololona Razafitsimialona Andriatsivoafetra, no nifampidinihana momba ireo fiaraha-miasa efa notanterahina niaraka tamin’ny EISA Madagascar nanomboka ny taona 2019.
Nahafahana nanamafy tsikelikely ny fahaiza-manaon’ny Antenimierampirenena eo amin’ny lafiny ara-pitantanana, ara-teknika ary ara-drafitra ny fiaraha-miasa teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny EISA, tamin’ny alalan’ny sehatra stratejika maro. Anisan’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny lalàna sy ny tetibola, toy ny fiofanana nomena ireo mpiasan’ny Antenimierampirenena momba ny famakafakana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.
Nisongadina ihany koa ny ezaka natao ho amin’ny fanavaozana ny rafitra sy ny fanatsarana ny fitantanana anatiny, indrindra tamin’ny fametrahana drafi-pifandraisana eo amin’ny samy andrim-panjakana. Tafiditra ao anatin’ireo hetsika notanterahina ihany koa ny fanamafisana ny serasera parlemantera, ny fampiroboroboana ny fifampiresahana ara-tsosialy sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, ny fampanjakana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana.
Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, tsy mifarana amin’ny androm-pifidianana ny demokrasia. Fanambin’ny Antenimierampirenena ny hampisy parlemantera mahomby kokoa, manakaiky ny vahoaka ary manana fitaovana enti-miasa matanjaka kokoa. Tanjona iraisan’ny EISA sy ny Antenimierampirenena ny hampanjaka parlemantera mahomby sy fampandrosoana mangarahara.