Nanolotra ny Volavolan-dalàna handravonana ny teti-bola ho an’ny taona 2020 sy ́ny volavolan-dalàna laharana 014/ 2026 mifehy ny tetibola-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2026, na ny PLFR 2026 teo anivon’ny Antenimierampirenena ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.
Nisy ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana ho fampifanarahana amin’ny zava-misy sy fanarenana ara-toekarena ary koa manoloana ny fiantraikan’ireo rivo-doza Fytia sy Gezani, ny fihenjanana ara-jeopolitika maneran-tany ary ny fihemoran’ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena.
Araka ny vinavina vaovao, dia tombanana ho 3,8 % ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena amin’ity taona ity, raha 4,8 % izany tao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana voalohany ho an’ny taona 2026.
Eo amin’ny lafiny fidiram-bolam-panjakana, dia tazonina ireo tanjona napetraka teo aloha momba ny hetra anatiny. Etsy ankilany, andrasana hitombo ny vola miditra avy amin’ny fadintseranana noho ny fanatsarana ny fomba fitantanana, nefa tsy hisy fanovana ny Fehezan-dalàna mifehy ny Fadintseranana mba hiantohana ny fitoniana sy ny fahafahan’ny mpandraharaha maminavina ny tontolo iasany.
Mba hamaliana ireo laharam-pahamehana nasionaly dia hampitomboina ny fandaniana ataon’ny Fanjakana. Izany dia hanohanana ny fanarenana taorian’ny rivo-doza, ny sehatry ny angovo, ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialy, ary ny fanamafisana ny famindram-pahefana ara-bola any amin’ny faritra. Tsy miova kosa ny fetra ambony amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ary hisy famatsiam-bola manokana hanohanana ny Tahirim-pisotroan-drononon’ny Mpiasam-panjakana Sivily sy Miaramila (CRCM).
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).