Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny « Coalition Parlementaire pour la Vaccination » izay notarihan'i Filohan’ny Vaomieran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fandrindram-piterahana Dr RAJAOBELINA Lova Herizo.
Adisisika momba ny fampandehanana ny « Fonds National pour la Vaccination » no nodinihina nandritra izany mba ho tena rafitra iray afaka hampiasaina hanamorana ny fividianana vaksiny eto Madagasikara.
Ho entina eny anivon'ny Governemanta ny zavatra tapaka mba hanaovana laharam-pahamehana ny fandraisana anjaran'ny fanjakana amin’ny fividianana vaksiny.
Anisan'ny niaraka nanao atrikasa ny solontenan'ny ministeran'ny fahasalamana, ny fitsarana, ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny mpiara-miombon'antoka toy ny UNICEF, OMS ary ny firaisa-monim-pirenena HINA.