Nifarana androany, 04 septambra 2026, ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena ho an’ny taona 2026.
Volavolan-dalàna miisa fito no napetraka tanatin’ny lahadiniky ny Antenimierampirenena nandritra ity fivoriana ity. Tamin’ireo, roa no lany, raha dimy kosa no mbola tohizana amin’ny fotoana manaraka, noho ny maha-zava-dehibe sy ny maha-saropady ireo volavolan-dalàna ireo.
Na dia teo aza ny adihevitra natao tanatin’ny asam-baomiera dia mbola tsapa fa mitaky fotoana fanampiny ny fandinihana amin’ny antsipirihany ireo volavolan-dalàna dimy. Ny tanjona dia ny hahazoana antoka fa ireo lalàna havoaka dia voadinika am-pahamatorana, mifanaraka amin’ny zava-misy ary tena miaro sy mampandroso ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.