Nifarana androany zoma 03 Jolay 2026 ny Fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimierampirenena. Tao anatin’ny lahateniny dia nampatsiahy ireo asa vita teto ny Filohan’ny Antenimierampirenena RANDRIANASOLONIAIKO Siteny.
Voalohany tamin’izany ny fandinihina sy fandaniana ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana. Niezaka ireo solombavambahoaka hoy izy ary nisy ireo fanitsiana tsy maintsy natao toy ny fanalana ny hetra sy haba amin’ny hena sy ny odimoka, ny fampiakarana na famerenana haba sy hetra sasany ho fampidiram-bola. Nojerena manokana ihany koa ireo fepetra mikasika ny sehatra laharam-pahamehana toy ny rano fisotro madio, ny jirama sy ny angovo, ny vola ho an’ny asa vaventy sy ny fanabeazana.
Ankoatra izay dia nomarihan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa miisa 11 ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna nodinihina sy nolaniana. Izy ireo izay natao hifanaraka amin’ny fanavaozana takian’ny vahoaka. Isan’izany ny tolo-dalàna mamerina ny tany tamin’ny anaran’ny vahiny nandritra ny fanjanahan-tany, ny fampiasana ny teny sy ny zo momba ny teny, ny fanalalahana mikasika ny sehatry ny solika.
Nampiavaka manokana ity fivoriana ity hoy ihany ny Filohan’ny Anteniierampirenena ny fanaraha-maso sy tombana ny asan’ny governemanta. Miisa 13 hoy izy ireo minisitra nantsoina sy nohainoina teto ary hita fa misy ministera nahatsapana fahatarana amin’ny fanatanaterahina ny andraikiny. Tsy azo hekena izany mila ezaka manokana avy amin’izy ireo.
Manantena fandraisana andraikitra ihany koa Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny ny amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fanam-boaran-dàlana amin’izao fotoana fialan-tsasatry ny mpianatra izao.
Farany, nanambara izy fa manana adidy ary tokony hanome ohatra ny solombavambahoaka ny amin’ny fanarahan-dalàna, koa izany indrindra no hiantsoany ny inspecteur d’etat, ny fitsarana momba ny kaonty hijery ny fampiasam-bola eto anivon’ny Antenimiera. Tsy hisy intsony hoy izy ny fampiasana tsy mazava ny vola-panjakana.
Mikasika ny raharaham-pirenena kosa dia nilaza izy fa Firenena mahaleo tena i Madagasikara koa tsy azo ekena ny fitsabahana sy tsindry avy any ivelany. Araka izany dia miantso ny mpiara-miombon’antoka izy mba tsy anao tsinontsinona ny tolona nisy teto.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).