Miditra amin’ny antsipirihiny momba ireo fifanarahana eo amin’ny JIRAMA sy ny mpandraharaha tsy miankina ny asan’ny Vaomiera mpanadihady mikasika ny Orinasa JIRAMA, androany faha-17 jolay 2026.
Ny Filohan’ny Vaomiera RAKOTONIAINA Pety hatrany no mitarika izany, eto amin’ny Antenimierampirenena, ary mbola anaty fihainoana ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andraikitra izy ireo hijerena ny zava-misy marina. Ilaina hoy izy ny fahafantarana ny lesoka, ny famakafakana hatrany amin’ny fitantanana anatin’ny JIRAMA mba hisian’ ny mangarahara tanteraka, hiantohana ny tamberin’andraikitra, ary hanolorana vahaolana maharitra ho tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy.
Mety mbola haharitra izao fanadihadiana izao hoy hatrany ny Filohan’ny Vaomiera, ny lalàna hoy izy dia mametraka hatramin’ny enim-bolana. Ary tsy maintsy ho hampahafantarina amin’ny malagasy ny vokatr’izao fanadihadiana izao.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).