Nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, anio alatsinainy 12 oktobra 2026 ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena, Andriamatoa Atou Seck, notronin-dRamatoa Diana Styvanley, tompon’andraikitra misahana ny fifandraisana ivelany.
 
Nandritra ity fitsidihana ity dia niresaka momba ireo tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola tanterahina eto Madagasikara ny roa tonta. Ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanitarana ny fahazoana herinaratra, ny fanatsarana ny fanabeazana, ny fitaterana, ny fampidirana rano, ny fizahan-tany ary ny fanamafisana ny fahazakana sy fiatrehana ny loza voajanahary, no isan’ny sehatra tena ifantohany.
 
Nandritra izany fihaonana izany dia nanamafy ny fahavononany hanamora ny fanatanterahana ireo tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Nambarany ihany koa ny finiavany hanamafy hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ity rafitra ara-bola iraisam-pirenena ity.
 
Tamin’ny volana septambra 2026, dia nahatratra 4,5 miliara dolara teo ho eo ny fitambaran’ny famatsiam-bola natokan’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara, ka nahitana tetikasa nasionaly miisa 16 sy tetikasa amin’ny faritra miisa 5