Nanao fitsidihana teto amin’ny Antenimierampirenena androany 17 Jona 2026 ny delegasiona amerikana avy any Washington, notarihin’Andriamatoa Nicholas Checker, Sous-Secrétaire d’État Adjoint misahana an’i Afrika Atsimo sy ny Fanampiana Ivelany ao amin’ny Departemantam-panjakana amerikanina sy Andriamatoa Christopher Kulukundis, Mpanolotsaina manokana ao amin’ny Biraon’ny raharaham-pirenena afrikana ao amin’io departemanta io, ary Andriamatoa Mike van Akkooi, Senior Vice President misahana ny raharaham-bahiny maneran-tany ao amin’ny orinasa Energy Fuels.
Anisan’ny niaraka tamin’izy ireo ihany koa Ramatoa Stephanie Arnold, Chargée d’affaires ao amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.
Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka maromaro ary ny Sekretera Jeneraly teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny delegasiona.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ny fihaonana. Nohamafisina nandritra ny dinika fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena rehetra i Madagasikara, indrindra amin’ireo sehatra mitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny vahoaka malagasy.
Notsiahivina tamin’izany ny fifanarahana tamin’ny taona 2025 ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara, voaresaka ihany koa ireo sehatra lehibe izay mahazo tombony avy amin'ny fanondranana entana tsy andoavana haba makany amin'ny tsena amerikana amin'ny alalan'ny AGOA toy ny lamba sy ny lavanila.
Mikasika ny tetikasa VARA MADA dia mbola anatin'ny fifampiresahana izao ary nantitranterin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena fa tokony hodinihina manokana ny mikasika ny tontolo iainana sy ny fanajana ny tombontsoan'ny vahoaka eny ifotony.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).