Notanterahina androany talata 9 jona 2026 teto amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza ny fivoriambe nihaonan’ireo Solombavambahoaka sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.
Nandray anjara tamin’izany ireo Minisitra misahana ny Fitsarana, ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny Fiompiana, ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.
Natao ity fihaonana ity mba hahafahan’ireo solombavambahoaka mametraka mivantana ny ahiahy sy ny fangatahan’ny vahoaka eny ifotony amin’ireo tompon’andraikitra. Nifantoka tamin’ny sehatra sosialy sy ny fampandrosoana ny adihevitra, toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pitsarana, ny fanohanana ny tantsaha sy ny mpiompy, ny fampiroboroboana ny indostria madinika, ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio ary ny fanamafisana ny tetibola sy ny fitantanana eny anivon’ny faritra sy distrika.
Nipetraka ihany koa ireo fanontaniana mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny fanohanana ny famokarana nasionaly, ny fandrosoan’ireo tetikasa lehibe ary ny fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana.
Ity fifanakalozan-kevitra ity dia maneho ny finiavan’ny Antenimierampirenena sy ny Governemanta hihaino sy hitondra vahaolana manakaiky ny filàn’ny olom-pirenena, ho fampandrosoana mirindra sy maharitra ho an’i Madagasikara.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).