Tanterahina any Johannesburg, Afrika Atsimo, ny 12 ka hatramin'ny 15 oktobra 2026 ny fivoriana ataon'ireo Vaomiera maharitra ao amin'ny Forum parlemanteran'ny SADC (FP-SADC). Fivoriana mialoha ho fanomanana ny Fivoriambe andiany faha-60 izany. Ny lohahevitra iorenany dia hoe: « Avy amin'ny fanoloran-tena isam-paritra mankany amin'ny asa nasionaly: fanamafisana ny fitarihana parlemantera ho fampiroboroboana ny fampiraisam-paritra, ny fanajana ny Lalàmpanorenana ary ny fanjakana tan-dalàna ».
Ny solombavambahoaka Dr Lova Herizo Rajaobelina, Dr Lovanirina Célestin Fiarovana, Bismark Mong Mann, Sophie Soamiadana Ratsiraka ary Ain'Harimanga Gabrielle Raby Savatsarah no solontenan'ny Antenimierampirenena malagasy amin'ity fivoriana ity.
Tanjon'ity fivoriana ity ny hanamafy ny andraikitry ny parlemanta amin'ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra noraisina eo anivon'ny SADC. Izany dia mandalo amin'ny asa fanaovan-dalàna, ny fanaraha-maso ny asan'ny governemanta, ny fandinihana ny tetibola ary ny fanehoana ny hetahetan'ny vahoaka. Na dia efa misy aza ireo rafitra sy fifanarahana iraisam-paritra, mbola misy ny sakana amin'ny fampidirana izany ao anatin'ny lalàna nasionaly. Noho izany, lehibe ny anjara toeran'ny parlemanta amin'ny fampifanarahana ny lalàna sy ny politikam-pirenena amin'ireo tanjona iombonan'ny SADC.
Natokana ho an'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny parlemantera ny andron'ny 14 oktobra 2026, fotoana hifampizarana traikefa eo amin'ireo parlemantera avy amin'ireo firenena mpikambana ihany koa izany.