Notanterahina tao amin’ny hotely Terrou-Bi, any Dakar, Sénégal, ny 29 septambra ka hatramin’ny 2 oktobra 2026, ny fihaonambe faha-14 momba ny ady amin’ny fikorianan’ny vola tsy ara-dalàna sy ny rariny ara-ketra eto Afrika (Conférence panafricaine sur les flux financiers illicites et la fiscalité – PAC 2026). Tafiditra ao anatin’ny hetsika karakarain’ny Tambajotra Afrikana ho an’ny Rariny Ara-ketra (Tax Justice Network Africa – TJNA) isan-taona ity fihaonambe ity.

Nandray anjara tamin’izany ny Antenimierampirenena malagasy, tamin’ny alalan’ny delegasiona notarihin’Andriamatoa MAMIHAJA Charlot, Solombavambahoaka voafidy tao Mananjary, sady Kestora fahatelo misahana ny Fitantanana tsara sy ny Fangaraharana eto amin’ny Antenimierampirenena ary koa filohan’ny Caucus National APNIFFT, sampana eto Madagasikara. Niara-dia taminy Andriamatoa ANDRIANIRINA Narcis, Solombavambahoaka voafidy tao Mahabo, filoha lefitry ny Caucus National, ary Ramatoa BENANDRASANA Soatsara Marciellà Diadème, tompon’andraikitra mpifandray amin’ny APNIFFT eto Madagasikara sady lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fiaraha-miasa eo amin’ny Parlemanta.

Ny hoe « Fampiroboroboana fandaharan’asa fanovana lehibe ho an’ny rariny ara-ketra eto Afrika » no lohahevitra nentina nandritra ity fihaonambe ity. Nifantoka tamin’ny lohahevitra dimy lehibe ny dinika, dia ny fiaraha-miady ho amin’ny rariny ara-ketra; ny fanovana ny rafitra ara-ketra afrikanina; ny fanafainganana ny ady amin’ny fikorianan’ny vola tsy ara-dalàna; ny fampiasana ny hetra ho fitaovana ahazoana tombontsoa amin’ny harena voajanahary eto Afrika; ary ny fifandraisan’ny politika ara-tetibola, ny rariny ara-ketra ary ny fahasalamam-bahoaka.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, Ramatoa Marieme Soda Mbacké, Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny CAJUST (Citoyens Actifs pour la Justice Sociale), any Dakar, dia nisaotra ny governemanta senegaley nampiantrano ny fihaonambe. Nohamafisiny fa tokony haverina amin’ny vahoaka afrikanina ny harena nalaina an-keriny sy nafindra an-tsokosoko avy eto amin’ny kaontinanta. Nanentana ihany koa izy ny firenena afrikanina hanamafy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fikorianan’ny vola tsy ara-dalàna, amin’ny alalan’ny fanentanana « Stop Bleeding Africa », ary hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny sehatry ny hetra.

Nifarana ny 2 oktobra 2026 ny fihaonambe, ka anisan’ny nisongadina tamin’izany ny famoahana ny « Livre Noir », izay manasongadina ireo lesoka eo amin’ny fitantanana ny rafitra ara-ketra. Ny Minisitry ny Toekarena, ny Fitantanam-bola ary ny Drafitrasa ao Sénégal, Andriamatoa Cheikh Diba, kosa dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny firenena sy ny famerenana ireo fananana nafindra an-tsokosoko.

Anisan’ireo paikady naroso nandritra ny fihaonambe ny fampifandraisana ny rejisitry ny tena tompon’ny orinasa sy ny fananana, ny fampirindrana ny politika ara-ketra ary ny fananana feo afrikanina iray ao anatin’ny Firenena Mikambana.

Ny fandraisan’anjaran’ny delegasiona malagasy tamin’ity fihaonambe ity dia maneho ny ezaka fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Parlemanta sy ny fampiroboroboana ny mangarahara, ny fitantanana tsara ary ny fampiasana ara-drariny ny loharanon-karena ho fampandrosoana an’i Afrika