Ho fanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa ara-pirahalahiana eo amin'ny Vondrom-pinamanana Sinoa sy Malagasy (Groupe d'amitié parlementaire Madagascar-Chine), dia manatanteraka fitsidihana ny firenena Sinoa, ny 09 ka hatramin'ny 17 jona 2026, ireo mpikambana sasantsasany anatin'izany vondrona izany, izay ahitana ny solombavambahoaka :
- MAMIHAJA Charlot (Filohan'ny delegasiona)
- RAZAFITSIALA Velomanana Solomampionona
- RASOANIRINA Marcelline
- MAMINIRINA Jolce Emilien
- RANARIVELO Lucien
- RAVELONASY Barthélémy Samuel
- RAMILISON Andriamampionona Nomenjanahary
- RAKOTOARIMANANA Patrice
Hotronin'Andriamatoa Sekretera Jeneraly Lefitry ny Antenimierampirenena.
Nisy ny fihaonana izay nataon'ireo mpikambana anaty delegasiona tamin-dRamatoa RAO Huihua, Tale Jeneraly misahana ny raharaha Afrikana eo anivon'ny Departemanta miandraikitra ny fifandraisana iraisam-pirenenan'ny Antoko politika kaominisita Sinoa.
Nifantoka tamin'ny tantara, ny fandaminana ary ny fiasan'ny PCC ny fifanakalozana ary koa ny anjara asany lehibe amin'ny rafitra politika sinoa sy amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ny firenena. Nitohy tamin'ny fitsidihana ny tranom-bakoky ny Antoko Politika Kaominisita Sinoa izany.
Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra avy amin'ny orinasa ara-teknolojika ihany koa ny delegasiona, indrindra fa ny orinasa Huawei, izay nahafahana namantatra ny fandrosoana teknolojia avo lenta sy ny ilon-tsaina artifisialy, ary ny fampiharana mivaingana ao amin'ny sehatra lehibe toy ny fitantanana ny tanàna, ny fanatsarana ny teknolojia ampiasaina eny amin'ny seranan-tsambo sy ny fanavaozana amin'ny sehatry ny fitrandrahana sns.
Hitohy amin'ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa sy fahalalana ny fomba fiasan'ny vondrona fiara GAC ihany koa ny dia.
Aorian'izay, hihaona amin'ireo mpikambana mandrafitra ny Antenimieram-paritry ny Faritany ao Hainan (Assemblée populaire provinciale de Hainan) ny delegasiona. Fotoana iray handinihana ny lohahevitra momba ny fanapariaham-pahefana sy hijerena fomba fiasa vaovao eo amin'ny firenena roa tonta io fihaonana io.
Tsy adino ny fihaonana amin'ireo tompon'andraikitra samihafa eo anivon'ireo orinasa mpanodina ny vokatry ny tany, ary ny Akademia Sinoa misahana ny siansa famokarana tropikaly (Académie chinoise des sciences agricoles tropicales).