Nolanian’ireo solombavambahoaka, nandritra ny fivoriambe androany alarobia 1 jolay 2026 teto amin' ny Lapan'i Tsimbazaza ireto manaraka ireto:
1- Ny Tolo-dalàna laharana faha-006 - 2026/PL momba ny politikan'ny fampiasana teny sy zo momba ny teny eto Madagasikara natolotr'Andriamatoa RAKOTOHARITIANA Navalona Francky, solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Antananarivo III
Natao ity Tolo-dalàna ity hanomezana hasina sy hikendry ny hanamafy ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny sehatra ofisialy sy ny fitantanan-draharaham-panjakana satria araka ny antontan'isa, ny 99% amin'ny Malagasy dia mahay miteny malagasy ary mihoatra ny 80% dia tsy mahay afa-tsy io teny io. Ny tanjona dia ny hiantohana ny zo hahazoana vaovao amin'ny teny nasionaly sy hanomezana hasina ny teny malagasy indrindra amin’ireo raharaham-panjakana sy sehatra misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandro.
Noho izany ny antontan-taratasy ofisialy rehetra avoakan'ny Fanjakana dia tsy maintsy hanana dika amin'ny teny malagasy toy ny didim-pitsarana, fifanarahana arak'asa, soratra sy takelaka eny amin'ny biraom-panjakana, seranana rehetra, sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.
2- Ny Volavolan-dalàna laharana faha - 021/2026 tamin'ny 2 jona 2026 mamaritra ny fehin-kevitra mifehy ny asa aman-draharaha sasantsasany eo amin'ny sehatry ny solitany an'ava, ataon'ny rafitra nankatoavin'ny Lalàna laharana faha-99-010 tamin'ny 17 aprily 1999 novan'ny Lalàna laharana faha -2004-003 tamin'ny 24 jona 2004 mikasika ny fanalalahana ny sehatry ny solitany an'ava.
Ity Volavolan-dalàna ity dia fanavaozana amin’ny sehatry ny solitany an'ava eto Madagasikara, mikendry ny fahaleovan-tena ara-angovo, ao anatin'ny politika Ankapoben'ny Fanjakana ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara (PGE-R).
Natao izao hamaly ny filàna fototry ny mponina, hanamafy ny andraikitry ny Fanjakana toy ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso amin'ny fanamafisana ny fahefan’ny OMH, ary amin'ny fandraisana anjara tanteraka amin'ny famatsiana solika eto Madagasikara. Eo ihany koa ny ny fifehezana ny fanafarana solika, ny fananana fotodrafitrasa laharam-pahamehana, ary ny fiomanana amin’ny angovo maharitra.
Tanjona amin'izany ny fahavitan-tena ara-angovo ho fanatsarana ny fitantanana, ny fahazahoam-bokatra sy ny fahafahana mifaninana ary ny fandrakofana manerana ny Firenena manontolo ary koa ny hisian’ny fitoviana isaky ny faritra ary ny fanamafisana ny fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena.
3- Ny Tolo-dalàna laharana faha - 004-2026/PL mamaritra ny rafitra ara-dalàna momba ny famindrana avy hatrany ho fananan'ny Fanjakana Malagasy ireo tany voasoratra amin'ny anaran'ny vahiny nandritra ny vanim-potoan'ny fanjanahantany natolotr' Andriamatoa Siteny Thierry RANDRIANASOLONIAIKO, solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Toliara I sady Filohan’ny Antenimierampirenena.
Ny antony nanaovana izao Tolo-dalàna izao dia noho ny fahamaroan'ireo tany tsy voakarakara (tsy voavoly) izay manakana ny fampandrosoana sy ny tetikasa ho an'ny tombotsoam-bahoaka. Araka izany ny tany banga sy tsy hampiasaina ka voasoratra amin'ny anaran'ny olona vahiny talohan'ny 26 jona 1960 dia haverina ho fananan'ny Fanjakana Malagasy. Tsy tafiditra amin'ity lalàna ity ny tanin'ny Masoivoho sy Konsily, sy ireo misoratra amin'ny olona efa nahazo zom-pirenena malagasy.
Tanjona amin'izany ny hanamafisana ny fiandrianam-pirenena sy amin'ny fananan-tany, hampihena ny olana misy eo amin'ny fananan-tany, hanamorana ny fampiasana sy ny fampandrosoana ho tombotsoan'ny Firenena.
4- Ny Tolo-dalàna laharana faha -005-2026/PL mikasika ny fananan-tany "sur le Domaine privé immobilier et mobilier de l'État, des Collectivités décentralisées et des personnes morales du droit public " natolotr' Andriamatoa Seth RAJOELINA , Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Fianarantsoa I.
Ity tolo-dalàna ity dia natao hanatsarana ny fitantanana ny fananan’ny Fanjakana (tanim-panjakana) amin’ny alalan’ny fanamafisana ny mangarahara, ny fahombiazana, ary ny fanarahana ny lalàna amin’ny fomba fitantanana sy fampiasana ireo fananana ireo.
Tafiditra anatin’izany ny fanavaozana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny ODOC (Opération Domaniale Concentrée) ho an'ny fangatahana fahazoana tany, ny fampiasana fitaovana nomerika, ny fampiharana sazy ho an’ny fanambarana tsy marina, ny fandrindrana ny fitantanana ireo tany midadasika, ary ny fiarovana ny fananam-panjakana sy ny fiandrianam-pirenena.
4- Ny Volavolan-dalàna laharana faha - 015/2026 tamin'ny 28 aprily 2026 manova sy mameno ny fepetra sasantsasany voalazan'ny lalàna laharana faha-2018-043 tamin'ny 01 febroary 2024, mikasika ny ady atao amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.
Ity Volavolan-dalàna ity dia natao hanamafy ny rafitra ara-dalàna sy ny andraikitry ny rafitra fanaraha-maso eto Madagasikara mba hiarovana ny toekarena sy ny filaminam-bahoaka, hanamafy ny ady atao amin'ny famotsiam-bola sy fisorohana ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana sy ny fanapariahana ny fitaovam-piadiana mahery vaika.
5- Ny Tolo-dalàna laharana faha-025-2026/PL tamin'ny 10 jona 2026 "autorisant la ratification de l'Accord de prêt relatif au financement additionnel du Projet de l'amélioration de l'Accès à l'Eau Potable (PAAEP), conclu le 30 avril 2026 entre la République de Madagascar et la Banque Mondiale".
Tetikasa entina hampitombo ny famokarana rano amin'ny Faritra Lehibe eto Antananarivo sy amin'ireo tanan-dehibe 6 manodidina, fanamafisana ny fotodrafitrasa ary fampivoarana ny sehatry ny rano. Findramam-bola mitentina 180 tapitrisa dolara Amerikana na 747 156 600 000MGA. Ny Ministeran'ny Rano sy ny JIRAMA no miandraikitra ny tetikasa ary hifarana ny 30 martsa 2029.