Notanterahina androany faha-30 septambra 2026 teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fanolorana fitaovana nomerika ho an’ny Antenimierampirenena avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-Kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), notarihin’ny Minisitry ny MNDPT, Andriamatoa Mahefa ANDRIAMAMPIADANA.
Nandritra ny fanolorana dia naneho fankasitrahana ny Fitondram-panjakana Fanavaozana sy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-Kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, noho ny fanohanana amin’ny fanatanterahana ny « digitalisation » eto anivon’ny Antenimierampirenena.
Anisan’ny tanjona lehibe amin’izany ny fanamorana sy fanatsarana ny fizotran’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna, amin’ny alalan’ny fampihenana ny fotoana lany amin'ny fanaovana dika mitovy sy ny fandaniana mifandraika amin’ny fampiasana taratasy, ary koa ny fanamorana ny fitahirizana ireo antontan-kevitra sady fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ireo fitaovana natolotra androany dia ahitana tablettes miisa 169 solosaina miisa 20 ary Kit Starlink iray (01).