Notanterahina tany Benghazi, Libye, ny 15 sy 16 jona 2026 ny Fihaonambe faharoan’ny Filankevitra Parlemantera Afrikana–Aziatika (African-Asiatic Parliamentary Council – AAPC), izay nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo firenena mpikambana miisa 24. Nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe « Vinavinan’ny hoavin’ny fifandraisana Afrikana sy Aziatika » ny fihaonana.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny Antenimierampirenena malagasy. Ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, AFAKANDRO Christian, voafidy tao amin’ny Faritanin’i Mahajanga, no nitarika ny delegasiona niaraka taminy ireo Solombavambahoaka JEAN FRANÇOIS Michel sy RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José, voafidy tao amin’ny Distrikan’Antsirabe I sy Antsirabe II, ary mpiasa ara-teknika iray.
 
Nandritra ny fihaonambe dia nifandimby nandray fitenenana ny firenena mpampiantrano sy ireo delegasiona isan-tsokajiny. Nankasitrahana manokana ny ezaka nataon’i Libye tamin’ny fanarenana ny firenena taorian’ny ady, ary noresahina ihany koa ny zava-misy sy ny fanamby sedrain’ireo firenena mpikambana. Nivoitra tamin’izany ny faniriana hanamafy ny fiaraha-miasa sy hitady vahaolana maharitra ho fampandrosoana ny firenena tsirairay, ary nankatoavina ny fanambarana sy ny soso-kevitra hoenti-manatanteraka izany.
 
Raha nandray fitenenana momba an’i Madagasikara kosa ny Filoha Lefitra AFAKANDRO Christian, dia nasongadiny ireo sehatra laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Afrika sy Azia, ka isan’izany:
- ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra;
- ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanabeazana, ny fikarohana ary ny fanavaozana;
- ny fanitarana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fambolena maharitra ary ny fitantanana ny harena voajanahary. Notsindriany manokana ny maha zava-dehibe ny fifampizarana traikefa sy ny fanavaozana hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hanamafisana ny fahafahan’ny firenena miarina manoloana izany;
- ny fanafainganana ny fanovàna nomerika sy ny fandrosoana ara-teknolojia, izay heverina ho antoky ny fanatsarana ny tolotra omen’ny fanjakana, ny fanitarana ny fidiran’ny olom-pirenena amin’ny sehatra ara-bola ary ny fanamafisana ny fifaninanana ara-toekarena.
Nambarany ihany koa fa tsy maintsy omena toerana lehibe ao anatin’izao vina iombonana izao ny fiaraha-miasa parlemantera. Amin’ny maha solontenan’ny vahoaka ny parlemantera, hoy izy, dia manana andraikitra amin’ny famolavolana lalàna manohana ny fampandrosoana, ny fandriampahalemana ary ny fitoniana. Tokony ho lasa hery lehibe mampifanakaiky kokoa an’i Afrika sy Azia ireo parlemantera rehetra. Nohamafisiny fa vonona i Madagasikara hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mpikambana rehetra mba hahatonga izany ho modely amin’ny firaisankina sy ny fampandrosoana iarahana.
Tsikaritra nandritra ny fihaonambe ihany koa fa nahasarika ny sain’ireo mpandray anjara ny lahatenin’ny Filoha Lefitra, indrindra fa ny ampahany nataony tamin’ny teny arabo. Taorian’izany dia maro ireo delegasiona naneho fahavononana hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fifandraisana ara-diplomatika.
 
Marihina fa efa nandray anjara tamin’ny Fihaonambe voalohan’ny Filankevitra Parlemantera Afrikana–Aziatika, izay natao tany Beyrouth, Liban, tamin’ny volana septambra 2025, ihany koa ny Antenimierampirenena malagasy.