Nandray an’Andriamatoa Thomas Bevan, mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana ao amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara aho, izay nanao fitsidihana ara-pomba fanajana androany.
Miarahaba azy tonga soa eto Madagasikara sy maniry azy hahavita be amin’ny andraikitra rehetra ho tanterahiny.
Nandritra ny fihaonana dia noresahina ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, izay efa nahitana sehatra sy tetikasa niarahan’ny roa tonta niasa nandritra ny taona maro, koa nohamafisina hatrany fa ho hampitomboina izany fifandraisana izany.
Betsaka ihany koa ireo vina noresahina izay hikendrena ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary notsiahivina fa anisan’ny mpanohana matotra sy matanjaka i Etazonia eo amin’ny lafiny tontolo iainana, fahasalamana, filaminana sns…
Manan-danja indrindra ny diplomasia parlemantera amin’ny fampivoarana ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fifampizarana ny traikefa sy fomba fiasa ary vonona hatrany amin’ny fifampiresahana ny roa tonta.
Misokatra amin’ny firenena rehetra i Madagasikara ary manao izay mampiroborobo ny fifandraisana iraisam-pirenena
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).