Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana, ny Ambasadaoron’i Frantsa vaovao eto Madagasikara Andriamatoa Jean-Marc GROSGURIN.
Fotoana nifanakalozana hevitra momba ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ary ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Nohamafisin’ny Ambasadaoro ny fahavononan’i Frantsa hanohana an’i Madagasikara amin’ireo andraikitra mifandraika amin’ny dingana ho an’ny fanavaozana, indrindra eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy ny famahana ireo olana ara-tsosialy.
Notsindriana nandritra ny fifanakalozan-kevitra ihany koa fa ny fifanajana sy ny fametrahana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ho laharam-pahamehana no antoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa maharitra sy mahomby.
Nisaotra ny Ambasadaoro tamin’ny fitsidihana ny Filohan’ny Antenimierampirenena ary nirary azy hahomby amin’ny fanatanterahana ny andraikiny.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).