Noraisin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritanin’i Mahajanga, Andriamatoa AFAKANDRO Christian, izay Filoha mpisolo toerana teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, androany zoma 6 novambra 2026, ireo tanora Malagasy solontena eo anivon’ny Parlement Régional des Jeunes de l’Indianocéanie (PRJIO). Nanatrika izany fihaonana izany ihany koa ny Solombavambahoaka Nadine ANDRIANASOLO, izay Reny mpiahy ireo tanora ireo.
Hanatanteraka hetsika ho fanentanana ny tanora malagasy ao amin’ny renivohitr’i Toliara izy ireo ny 11 ka hatramin’ny 15 novambra ho avy izao. Tanora manodidina ny 200 isa no andrasana handray anjara amin’izany. Ny fanamafisana ny fanazavana sy fampahafantarana azy ireo, hahatakaran'ny tanora ny tontolo sivily sy politika misy azy ireo, ary ny hamporisihana azy ireo handray anjara mavitrika eo amin'ny fiainam-bahoaka sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina no tanjona kendren’ny PRJIO amin’io hetsika karakarainy io.
Nandritra izany dia nanome tsodrano sy fankaherezana ireo tanora ny Filoha mpisolo toerana, Andriamatoa AFAKANDRO Christian. Nambarany fa vonona hatrany ny hanohana sy hanampy azy ireo izy, ary manome toky fa tsy hitsahatra ny fanohanany ny tanora Malagasy mpikambana ao amin’ny PRJIO. Nohamafisiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fampiroboroboana ny tanora, ka nanentana azy ireo mba hatoky tena, ary ho sahy haneho sy hampivelatra ny talenta ary hampiasa izany ho an’ny tombontsoan’ny firenena.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).