Notanterahina androany 11 jona 2026 teny Alarobia ny atrikasa nokarakarain’ny UNICEF niaraka tamin’ny Antenimierampirenena, izay nifantoka tamin’ny adisisika amin’ny ambaratonga ambony ho fanamafisana ireo tetibola natokana ho an’ny sehatra sosialy momba amin’ny ankizy eto Madagasikara, toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny rano sy fanadiovana ary fidiovana, ny sakafo, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fiarovana ny zon'ny ankizy.
Nandritra ny atrikasa dia nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny INSTAT sy ny UNICEF momba ny zava-misy eo amin’ny lafiny sosialy, narahana fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpisehatra samihafa. Nifototra tamin’ny antontan-kevitra azo antoka sy ny valin’ny fanadihadiana nasionaly MICS 2025 navoakan’ny INSTAT ireo famelabelarana, izay nampiseho fa mbola mampanahy ny toe-draharaha: ankizy iray amin’ny roa ihany no mahavita ny fanabeazana fototra, manodidina ny 50% amin’ny mponina eto Madagasikara dia ankizy avokoa, 17% amin’ny ankizy no mbola tsy nisitraka vaksiny mihitsy, ary 60% amin’ny mponina no tsy mbola mahazo rano fisotro madio.
Tanjon’ity atrikasa ity ny hampahafantarana ireo olana lehibe mianjady amin’ny sehatra sosialy, ka hanamafisana ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny sehatra sosialy, indrindra eo amin’ny rano sy fanadiovana, ny sakafo ara-pahasalamana, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra. Marihina fa handalo eto amin’ny Antenimierampirenena tsy ho ela ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana. Kendrena ihany koa ny hamantarana hetsika stratejika iarahan’ny Parlemanta, ny ministera ary ireo mpiara-miombon’antoka hanatsarana ny fahombiazan’ny fampiasam-bola.
Nandritra ny fifanakalozana dia naneho ny fahavononany ireo solombavambahoaka hanamafy ny adisisika sy hanatsara ireo tetibola natokana ho an’ny sehatra sosialy fototra, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, mba hahafahana manitsy sy mampitombo ireo famatsiam-bola ilaina ho tombontsoan’ny ankizy malagasy.