Niompana tamin’ny fampahafantarana mikasika ny ilon-tsaina artifisialy na " intelligence artificielle " ́ (IA) ny seminera fampiofanana nataon’ny teo anivon’ny UNESCO ho an’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara teto amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza androany 8 jona 2026. ́Ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena miadidy ny faritanin’Antananarivo, RALAMBOZAFIMBOLOLONA RAZAFITSIMIALONA ANDRIATSIVOAFETRA, sady filoha mpisolo toerana, no nitarika ny fivoriana niaraka tamin’ny mpampakanteny eo anivon’ny Antenimierampirenena.
Anisan’ireo tombotsoa azon’ny eo anivon’ny parlemanta amin’ny fampiasana ny IA ny fanafainganana ireo asa karoka sy fanoratana ireo tolo-dalàna ary ny fanomanana ny asam-baomiera, izay tafiditra ao anatin’ny asa iantsorohan’ireo solombavambahoaka.
Manampy betsaka amin’ny isian’ny fangaraharahana amin’ny adihevitra sy manena ny fotoana lany eo am- panatanterahana ireo asan’ny parlemanta araka izany ny IA, raha fehezina ny fampitana nataon’i Dr Kamel EL HILALI, manam-pahaizana manokana mikasika ny IA, eo anivon’ny UNESCO Paris.
Ankoatr’izay, nanome ohatra tamin’ireo tranga nampiasainy ny IA ihany koa ny Antenimiera ao Maurice, araka ny fanazavana nentin’i Ramatoa SASHEETA Ramse Rakha, « Responsable du service numérique et de la télédiffusion parlementaire »
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).