Manatrika ny Forum iraisam-pirenena andiany faha-7 momba ny « Micronutriments », izay tanterahina any Accra, Ghana, ny Solombavambahoaka Dr Rajaobelina Lova Herizo, Filohan’ny Vaomieran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, sady Point focal eo amin’ny sehatra parlemantera anatin’ny Mouvement SUN (Scaling Up Nutrition). Ny fihaonambe dia nanomboka ny 28 septambra ary mifarana ny 1 oktobra 2026.
Anisan’ny lohahevitra lehibe dinihina mandritra izao fihaonambe izao ny fanatsarana ny politika sy ny lalàna momba ny fanatsarana ny ara-tsakafo, izany hoe ny fampitomboana ireo otrikaina ilain’ny vatana ao anatin’ny sakafo, sy fandinihina ireo paikady entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ho an’i Madagasikara, zava-dehibe ny fanamafisana ny rafitra sy ny fepetra momba izany, indrindra ho fiarovana ireo sokajin’olona marefo, toy ny vehivavy bevohoka sy mampinono, ary ny ankizy latsaky ny dimy taona.
Mandritra ny fihaonambe dia mizara ny traikefany sy ireo fomba fiasa nampihariny ny firenena mandray anjara, mba hahafahana mamolavola sy manamafy ireo politika mahomby amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mandray anjara amin’izany fifanakalozana izany ihany koa i Madagasikara, amin’ny alalan’ny delegasiona malagasy izay ahitana ny Mpandrindra Nasionalin’ny Office National de la Nutrition (ONN), Ramatoa Fanja Rakotondrainibe.
Isaorana manokana ny GIZ, izay niantoka ny fandaniana rehetra nahafahan’ny solontena malagasy nandray anjara tamin’izao fihaonambe iraisam-pirenena izao.