Nolanian’ny Antenimierampirenena tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny Volavolan-dalàna mifehy ny Tetibola-panjakana nasiam-panitsiana (PLFR) ho an’ny taona 2026, ny alatsinainy 22 jolay 2026, nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO. Nanatrika izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Herinjatovo RAMIARISON, sy ny Minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Hanitra RAZAFIMANANTSOA.
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ireo teknisianina eo anivon’ny ministera dia natao hanehoana ny « rariny sy fitoviana eo amin’ny tetibola » ity volavolan-dalàna ity. Voalaza fa ny PLFR 2026 dia lalàna mamerina mandrindra sy mizara indray ny tetibola amin’ny lafiny fandaniana, ka mampiseho ny famindrana sy fanatsarana ny fampiasana ireo loharanom-bola efa misy ary mampitombo ny fandaniana ho an’ireo sehatra laharam-pahamehana ary mampifanaraka izany amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.
Raha ny laharam-pahamehan’ny Governemanta indray, dia nifantoka tamin’ny fanohanana ny sehatry ny angovo, ny fanarenana aorian’ny loza voajanahary ary ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny tetibola natokana ho an’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Araka ny fanazavana nentin’ny Governemanta, dia natao indrindra hiatrehana ny fiantraikan’ny korontana ara-jeopolitika any Moyen-Orient sy ny fiakaran’ny saran’ny fanafarana entana ireo fepetra ireo, ary koa hiaro ny toekarena malagasy.
Anisan’ny niverimberina nandritra ny adihevitra ny tokony hiarovana ny tantsaha araka ny fangatahan’ireo solombavambahoaka. Koa anatin’izany ny fametrahana haba ho an’ny vary hafarana. Ho fanohanana ny sehatry ny famokarana sy ny fandraharahana kosa, dia nesorina ny TVA 20% amin’ny zanabolan’ny banky. Antenaina fa hanamora ny fahazoan’ny orinasa sy ny mpandraharaha famatsiam-bola izany, ka hampiroborobo bebe kokoa ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa.
Nandritra ny fandinihan’ny vaomiera dia nisy fanitsiana sy fanovàna maromaro nataon’ireo solombavambahoaka tamin’ilay lahatsoratra tany am-boalohany, toy ny mikasika ny saram-pahazoan-dàlana hiditra (visa), izay heverina hitondra vola miditra manodidina ny 40 miliara Ariary. Etsy ankilany kosa dia nofoanana izany sara izany ho an’ireo mpizahatany tonga amin’ny sambo fitsangantsanganana (bateau de croisière). Toy izany koa, nisy fanitsiana natao mikasika ny TVA amin’ny vokatra avy amin’ny mpivaro-kena. Ankoatra izany, afaka haba amin’ny fadintseranana ireo vokatra enti-miady amin’ny moka.