Nitohy androany zoma 03 jolay 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, nandritra ny Fivoriambe notarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, RANDRIANASOLONIAIKO Siteny, ny fotoam-panontaniana sy valin-teny nifanaovan’ny Antenimierampirenena sy ny Governemanta. Natokana indrindra ho an’ny valin-tenin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta manoloana ireo fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka ity ny andro faharoa ity.

Araka ny nambaran’ny Praiminisitra dia saika mifanaraka tanteraka amin’ny vina napetraky ny fahefana mpanatanteraka, indrindra amin’ny Fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanorenana Ifotony (Refondation), ny ankamaroan’ny fanontaniana sy ny hetahetan’ireo solombavambahoaka. Anisan’ireo laharam-pahamehana hitan’ny sy tsapan’ny solombavambahoaka, ary nitondran’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta valinteny ny olana ara-tsosialy mahakasika mivantana ny vahoaka, toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny fahazoana rano fisotro madio.

Etsy ankilany, nandrasan’ireo solombavambahoaka fatratra ny fanazavan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo momba ny fahatapahan-jiro sy ny delestazy any amin’ireo tanàn-dehibe toa an’Antsiranana sy Toamasina. Nilaza ny minisitra fa hisy ny fanampiana milina mpamokatra herinaratra sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra. Koa ho fanaraha-maso ny fitohizan’izany asa izany dia nanambara ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa mbola hantsoina hiatrika ny solombavambahoaka ny minisitra amin’ny fotoana manaraka.

 

Marihina ihany koa fa nanome fanazavana momba ireo kamiao nitondra tany fameno tratran’ny Filohan’ny Fanorenana Ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Minisitry ny Fandrindrana ny Tany sy ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany. Araka ny nambarany dia fantatra ireo tompon’ny tany sy ireo kamiao voakasika, ary manan-jo hahafantatra izany ny vahoaka. Nizara izany fomba fijery izany ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena ka nangataka ny hanaovana fanadihadiana ara-bola (audit financier) ataon’ireo mpanara-maso avy amin’ny Fanjakana amin’ireo andrim-panjakana rehetra, miainga amin’ny Antenimierampirenena, ary ny vokatr’izany dia tokony hampahafantarina ampahibemaso.