Mbola ao anatin’ny fotoam-pivoriana voalohany amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimierampirenena. Androany alakamisy 2 jolay 2026, dia nanomboka ny fivoriana fametrahana fanontaniana amin’ny Governemanta ireo Solombavambahoaka.
Nandritra izany, naneho sy nampita ireo olana sy hetahetan’ny mponina eny anivon’ny faritra sy distrika tsirairay ireo olom-boafidy. Samy manana ny zava-misy iainany mantsy ny faritra tsirairay, ka nifantoka tamin’ireo olana sy filàna iombonana sy manokana izany fanontaniana napetraka tamin’ireo minisitra tompon’andraikitra izany.
Nametraka fanontaniana sy nangataka fanazavana tamin’ny Governemanta ireo Solombavambahoaka androany, ary ny rahampitso kosa no handraisan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta anjara amin’ny famaliana izany.
Ankoatra ireo fanontaniana maro samihafa, nisongadina manokana ny antso nataon’ny Solombavambahoaka ho an’ny Ministeran’ny Fambolena, indrindra momba ny fanatsarana ny fitarihan-drano, ny fanamafisana ny fizarana masomboly sy zezika ho an’ny tantsaha, ary ny fanohizana izany ezaka izany ho fanatsarana ny vokatra sy fanatrarana tsikelikely ny fahaleovantena ara-tsakafo.
Nampahatsiahivin’ireo olom-boafidy ihany koa ny filàn’ny vahoaka amin’ny sehatra maro, toy ny fananganana CSB I amin’ireo toerana mbola tsy ahitana izany, ny fanokafana lisea teknika eny amin’ny distrika sasany, ny fanamboarana sy fanarenana ireo lalana simba, ary ny fanamafisana ny fandriampahalemana.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).