Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Randrianasoloniaiko Siteny, teto Tsimbazaza, anio Alarobia 11 Novambra 2026, ny mpiandraiki-draharaha (ai) Libyana Andriamatoa Abdulnasser Younes.
Nandritra io fitsidihina io no nampatsiahivany ny tantara mampifandray an’i Madagasikara sy Libya izay efa manenika ny 50 taona, indrindra tamin’ny andron’i Mouammar Kadhafi sy Didier Ratsiraka. Tanjona amin’ity fitsidihina ity ny hanamafisana ny fifandraisana misy eo amin’i Madagasikara sy Libya. Hijery ihany koa ireo sehatra hafa azo hiaraha-miasa amin’i Madagasikara.
Marihina moa fa ny libyana dia miasa eto Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasa LAICO. Nanomboka tamin’ny taona 1983 ny fisian’ny fampiasam-bola libyana teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fananganana ny LIMA Holding (Orinasa iarahan’ny fanjakana libyana sy malagasy). Tamin’ny voalohany, ny Fanjakana Malagasy no nitana ny 51%-n’ny renivola (indrindra tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamin’ny fanomezana tany), raha 49% kosa no anjaran’ny Libiana. Taorian’ny fisintonan’ny Fanjakana Malagasy tsikelikely ny anjarany, dia tafiditra tao anatin’ny tambajotra manerana an’i Afrika an’ny Libyan African Investment Company ilay orinasa, ka nitondra ny anarana hoe LAICO Madagascar. Izy io dia eo ambany fiahian’ny Libya Africa Investment Portfolio (LAIP)
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).