ATRIK’ASA AVO LENTA NANAOVANA ADY SISIKA HIADIANA AMIN’NY FAMPANAMBADIANA ANKIZY
Notanterahina ny 1 Oktobra 2026, tao amin’ny Novotel Antananarivo, ny atrikasa avo lenta nanaovana ady sisika ho fanamafisana ny lalàna fiarovana ny ankizy sy ny ady amin’ny fampanambadiana ankizy.
Ao anatin’ny tetikasa SDSR an’ny Vondrona Parlementeran’ny SADC, ity atrikasa ity dia niarahana tamin’ny Caucus Genre – Vondron’ny Vehivavy Parlemantera izay tarihin’i Ramatoa RABY Savatsarah Ain'Harimanga Gabrielle, sy ny Tambajotra Nasionaly ho an’ny Rariny ara-pananahana (RPNJR) ary ireo mpiara-miombon’antoka UNFPA sy UNICEF.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan'ny Antenimierampirenena misolo toerana, Andriamanitoa AFAKANDRO Christian. Ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa Cathia Voahanginirina RAKOTONIAINA kosa no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa ary nanambara fa vonona hanohana sy hiara-hiasa hatrany mba ho fiarovana ny ankizy. Ankoatr’ireo dia maro ny Solombavambahoaka, ny solontenan’ny Governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena izay nandray anjara.
FAMPANAMBADIANA ANKIZY – 18 TAONA – FOANANA NY FAHAZOAN-DALANA MANOKANA !
Nifantoka tamin’ny ady amin’ny fanambadian’ny ankizy ny laha-dinika. Raha ny antontan’isa tokoa mantsy no jerena dia isan’ny manana taha ambony Madagasikara, satria mahatratra 42% amin’ireo vehivavy 20 – 24 taona no efa nanambady talohan’ny faha-18 taoanany. Noho izany dia nisy ny fanehoan’ny Caucus Genre ny tolo-dalàna fanavaozana ny lalàna n°2007-022 momba ny fanambadiana, mba hamerana ho 18 no mihoatra irery ihany no afaka manambady sy fampifanarahana izany amin’ny Lalàna Modelin’ny SADC.
Anisan'ny nampisongadina ny atrikasa ny fanaovan-tsonia ny "Manifeste" izay nataon'ny Solombavambahoaka, ny Minisitra, ny tanora, ny ankizy, ny Fiarahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon'antoka, ho fanafoanana ny fampanambadiana ankizy sy ho mariky ny fanamafisana ny lalàna mba hampitsahatra ny fanambadian'ny ankizy, amin’ny endriny rehetra, eto Madagasikara.
Nohamafisin’ny Antenimierampirenena, arak’izany, ny andraikiny amin’ny fandrafetana sy fandaniana lalàna, ny fandaniana tetibola ary ny fanaraha-maso ny fampiharana ny politikam-panjakana, miaraka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ho fiarovana ny ankizy.