Nolanian’ny solombavambahoaka tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovàna androany faha- 02 jolay 2026 teto amin’ny Antenimierampirenena ny Tolo-dalàna Fehizoro laharana faha-015-2025/PL mahakasika ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina izay natolotry ny Solombavambahoaka voafidy tao Betioky Atsimo, Andriamatoa HANOGNONA Hervé.
Ity Tolo-dalàna dia entina manatanteraka ny fametrahana ny rafi-panjakana izay voalazan’ny andininy faha-105 amin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010.
Ny Volavolan-dalàna fehizoro dia mikendry ny hampitombo ny fandraisan'anjaran'ireo hery velona rehetra eo amin'ny fiarahamonina amin'ny famolavolana ny politikam-panjakana. Ity rafitra mpanolo-tsaina sy mpanome hevitra ity voafaritry ny Lalàmpanorenana ity dia natao hampiroborobo ny fifampidinihana sy ny mangarahara, mba hahafahan'ny fanjakana mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka sy ny zava-misy eto amin'ny firenena.
Voafaritra ao anatin'ilay volavolan-dalàna ihany koa fa tokony hisy fifandanjana eo amin'ny fahaiza-manaon'ireo mpikambana sy ny fisoloan-tenan'ny faritra ary ireo sehatra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina. Homena lanja manokana koa ny kolontsaina malagasy mifototra amin'ny fifampidinihana sy ny fifanajana amin'ny fitantanana ny Filankevitra.
0 Hevitra momba ity lahatsoratra ity
Hametraka hevitra
Votre commentaire sera publié après validation par un administrateur. Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont marqués d'un astérisque (*).