Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, androany 12 oktobra 2026, ny Masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine.
Fotoana iray nanehoana ny maha-zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandraisana eo amin’ny Andrim-panjakana sy ny solontenan’i Madagasikara eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena izao fihaonana izao. Tafiditra ao anatin’ny ezaka hanamafisana ny fampiroboroboana ny tombontsoan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany